Midongy

Nampidirin'i ontsy | 15 Sep, 2014

Rehefa midongy tsy haneno ny lokanga !
Ka midongizin-tsy hidoboka ny langoraona
Lehilahy izay mitady hihaika an'Isanga mavitrika !
Ary sahirana izay manery ny soroka handihy.
Tsy vonon-kivolana mantsy aho
Ary malain-kiteny.
Koa aza itongizinam-panontaniana,
Na anangonan'antsafa.
Fa sao ho tezitra aho, ianao ho sosotra.
Ka hiafara amin'ny tsy firaharahian-tsamy velona
Sy tsy fifandevenan-draha maty !

Ny adala tsy misy ...

Nampidirin'i ontsy | 11 Jan, 2013

Raha tsy diso aho, dia tenina mpandinika iray ny hoe "Hadalana ny fandavana ny tsy misy", ny marimarina tokoa dia tamin'ny fanoheran'ireo tsy mino an'Andriamanitra ny fisiany no nampalaza ity teny ity.

Manaraka izany, nahatsiaro nanongo-tena izahay, raha nihaona tamin'ny fanaterana vodiakoho noho ny asaramanitra 2013. Nahoana hoy ianareo ? Zaza niara-notezaina izahay ary efa mihoatra ny 50 taona ny zokiny indrindra taminay. Zatra ny lalan-dririnina anefa izahay, ka na fahavaratra aza dia roso nanitsy lalana. Ny hanihany sy ny vazivazy fahiny no mbola niverina aty amin'ny 25 taona aty. Teo no nisy zanaka, 13 taona, nilaza hoe : mba matotra reto a !

Hay tsy izahay ihany no tsy matotra, fa hatramin'ny mpitondra fanjakana izay vovonana iadian'ny lohany, sy varivariny andrian'ny trafony ihany koa. Santionany mantsy no mba henoko raha iny notanterahina teny Iavoloha ny fifampiarahaban'ny andrimpanjakana sy ny masoivoho vahiny. Minisitra moa sa CT, sa CST no mihorakoraka hoatran'ny mpijery rugby, sa izay ilay hoe fety manara-penitra ?

Ka raha noheverinao ho diso ny zavatra nambaran'ny hafa, aleo hiteny eo fa rehefa tsy misy mamaly ve tsy hangina?

Soa fa alarobia tsy miverina ka inoana fa ho hendry izay ho avy eo !

Sarobabay ka izay voa aza tezitra !

Ny hanongotsongona ny maty : tahotry ny handevim-belona !

Nampidirin'i ontsy | 25 Feb, 2009

Izay tokoa ry reto fa tonga amin'ny tenin'Andriamatoa Gilbert RAHARIZATOVO hoe : "Ny tantara dia fitamberenana tsy manam-pahataperana" (adikako amin'ny teny vahiny : L'histoire est un éternel recommencement !).

Ny tiako ambara dia izao : tsy hilaza isika ho toy ny ririnindasa tsy tsaroana ny zava-nisy teto amin'ny firenena,

Moa va tsy toy ny volan-kankafotra ka ny anio : vaovao, ny ampitso ovaovako, nefa dia ny eo ihany no miverina !

Raha tsy ilaza afa-tsy ireto trangan-javatra ireto aho, izay mitovy fa tsy sahala, dia ny hoe Pisodia, Arema, undd, Tim ary angamba raha teraka Ambatobevohoka dia TGV. 

Izay indrindra ary no tokony hanekena ilay ohampitenenan'ny Ntaolo hoe : ny hanaovana aroriaka raha main'andro anieka hitsinjovana ny fahavaratra e !

Ny hifakona kitay fahatanora, itaninan'Afo raha lehibe !

Ny isavasavana ny raviny rahateo ahitana ny fotony, tsy ny aretina no mahery fa ny soritr'aretina no tsy fantatra ka dia zary mandamaka toy izao ny firenena !

Jereo daholo hoe : "Ilay mbola frantsay nantenain'i Tsiranana anie no nolovan'i Ratsiraka !" 

Avy eo nohamafisin'Ingahy Ratsiraka ity toerana nodimbiasan'Ingahy Ravalo. Tsy nolazaiko ingahy Zafy satria ireny ilay nokakerin'ny amboakelitiany ka lavo ampandehanana sy potraka tampidinana.

Koa io vatolampin-dRavalomanana io koa anie ka ho lasa beton io raha ho avy eo Rajoelina.

Ary izay aoriana angamba hiketrika Diamondra moa ilay mafy indrindra ??

Teny atsipy ho an'ny manampanahy io, dinihan'ny mahalala !

Fa nahoana moa raha lalam-panorenana tsy azo ovana tahaka ny any Etats-Unis no apetraka dia mandalo izay Washintown malagasy e  ?

Samia miandry anefa satria isika eto an-tanàna e ! 

Ataontsika tahaka ilay rafotsibe mita rano ka izay mahasoasoa ataon'Andriamanitra, ary eo anatrehan'ny famahana olana ataon'izy roalahy (mianaka tokoa ve ?) dia tahaka ilay rafotsibe very laona isika ka miandry izay higadonany !

 

Ontsy tsy miavona, 25 febroary 2009 

Raha tiana hahatody ny lakan-kitondra sy tiana hateza ny lamba tinafy : ...

Nampidirin'i ontsy | 7 Feb, 2009

Maro ihany no efa naheno izao hainteny izay averiko eto izao :

Lakan-kitondra ve tiana hahatafita : ny tevin-damosiny no mila ho hita !

Ny lamba tinafy ve tiana hateza : tsongoy aloha ny tenony sao tsy mba meva !

Io dia fampiasa rehefa mitady toky izay ny mpandahateny. Fa ny amolahako azy indray dia izao, aza tezitra aloha fa saro-babay izy ity a ! Tsy tia tanindrazana isika Malagasy ! 

Ny zava-mitranga rehetra dia manamporofo izany :

Ny Ntaolo taloha dia nilaza fa raha samy ho lany lany ihany ny paiso ankady, aleo mba maka ! sy ny hoe aleo lo toy izay ankavana tahaka ny horirik'Ambohimanambola !

Nanampy trotraka izany isika ankehitriny ka hoy isika hoe : Hangarom-paosy aza atao mainka fa kitapo latsaka !

Dia izay no mampisavorovoro ankehitriny fa ny eo amin'ny fitondrana dia oharina amin'ny fomba fanisa hoe : "andriamaintibe ny papango" (maka ny tsy an'ny tena, mangorona, ...)

Ny tsy mahazo seza indray dia azo sojakiana amin'ilay hoe "kely mpitsoka farara ny takatra".

Izao anefa ! raha tao ilay fitiavan-tanindrazana, dia angamba tsy nisy nangorona ny harem-pirenena, tsy nolanina nividianana fiaramanidina ny volam-bahoaka, ..., tsy nokorontanina hilahatra ny vahoaka, tsy nisy ny fandrobana tetsy sy teroa, ...

Fa najaina ilay marimaritra iraisana tsy nanan'ny  tsy malagasy.

Nekena ilay hoe : lohalika sy laferana ka izay fatra-pandefitra no mandina.

Tsy niafara tamin'ilay fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy ny zava-misy ankehitriny (ny tokantrano vitsivitsy aza dia misara-bazana noho ny tsangan-kevitra tsy iraisana).

Ka hoy aho aminao mpamaky : izaho, ianao, ny zanako, ny zanakao ireo no ho avin'ny firenena. Amin'izy ireo no tokony hambolena ny fahendrena Malagasy izay hitarika azy ho amin'ny fitiavan-tanindrazana !

Ny hamaranako azy dia ilay fomba fiteny mahazatra hoe : Itomanio ihany re ny maty na hitahy na tsia, ary anaro ihany ny velona na hino na tsy hino. Fa ny fo afaka tsy hananan-tsiny, ny kibo tsy tia tsy asesika !

Ontsy tsy miavona

 

 

Ny vola : hozatry ny fiainana sa mosavin'ny fihavanana ?

Nampidirin'i ontsy | 6 Feb, 2009

Toa miendrika fanontaniana ny lohatenin'ity lahatsoratra ity androany.

Samy manana ny famaritany an'ity atao hoe vola mantsy ny ankabiazan'ny olona ! Izay no dia namehezana ny lahateny ho araka ireo matoankevitra roa ireo fotsiny ihany.

Hozatry ny fiainana tokoa satria io no zary manirakiraka ireo miakandrefambaravarana tsy hahalala sasatra fa mivoaka maneno akoho, ary tsy mody raha tsy maneno fitatra.

Hozatry ny fiainana satria tsy mba mangidy, tsy misy fofony !

Hozatry ny fiainana ihany koa satria  ny vola rahateo anie no maharangahy !

Kanefa mosavin'ny fihavanana satria efa navadika hoe aleo very tsikalakalampihavanana toy izay very tsikalakalambola ilay fahendrena fahiny !

Mosavin'ny fihavanana tokoa satria zovy no tsy mahalala ilay ohampitenenana hoe ny omby mahia tsy lelafin'ny namany sy ilay hoe ny olon'ory tsy mba rangahy !

Ary mosavin'ny fihavanana satria ny vola izay toy ny harena rehetra dia sahala amin'ny volon'orona ka kely analana maharary, betsaka moa mainka maharary !

Koa hoy aho hoe : aza mety andevozin'ny vola fa tadiavo ihany anefa izy ! Na izao zava-mitranga eto an-tanàna izao aza anie izay manana vola no zary nahavanona ny kinasany e !

Teny atsipy ho an'ny manam-panahy ka horaisin'ny mahalala !

Ontsy tsy miavona

 

Sambatra, hono, ny lava fa,... nefa sambatra ny fohy fa...

Nampidirin'i ontsy | 5 Feb, 2009

Satrin'ny lava tokoa, hono, ho lalina ny rano hahadifotra ny fohy !

Satrin'ny fohy koa ho fohy ny farafara hivonkinan'ny lava !

Izany dia toa mitovy na dia tsy tena sahala amin'ilay ohampitenenana hoe : "satrin'ny mpaniraka ho lavitr'iraka, ary satrin'ny irahina andeha akaiky" .

Amin'izao toe-javamisy mifamahofaho eto amin'ny Nosindrazana izao dia samy manana ny faniriany : ny mpitondra hitoetra maharitra amin'ny fitondrana, ny mpanohitra mba handromba-pahefana e !

Fa ho antsika kosa e : tsy fidiny no hihinanan-koririka fa ny amidy hena no tsy ampy, tsy sitratsika ny hitoetra ho olon'entina fa ny taranja no tsy manavanana antsika ka aleo atao tahaka ny mpamosavy sy mpihady fasana e, samia masina an-taniny.

Ny vintana anefa lakalaka, kodiaran-tsarety hoy ny Ntaolo, ka ny ampitso no aoka hitsara e !

Ontsy tsy miavona

Ontsy tsy miavona

Nampidirin'i ontsy | 4 Feb, 2009

 (tohiny)