Sambatra, hono, ny lava fa,... nefa sambatra ny fohy fa...
Nampidirin'i ontsy | 5 Feb, 2009Satrin'ny lava tokoa, hono, ho lalina ny rano hahadifotra ny fohy !
Satrin'ny fohy koa ho fohy ny farafara hivonkinan'ny lava !
Izany dia toa mitovy na dia tsy tena sahala amin'ilay ohampitenenana hoe : "satrin'ny mpaniraka ho lavitr'iraka, ary satrin'ny irahina andeha akaiky" .
Amin'izao toe-javamisy mifamahofaho eto amin'ny Nosindrazana izao dia samy manana ny faniriany : ny mpitondra hitoetra maharitra amin'ny fitondrana, ny mpanohitra mba handromba-pahefana e !
Fa ho antsika kosa e : tsy fidiny no hihinanan-koririka fa ny amidy hena no tsy ampy, tsy sitratsika ny hitoetra ho olon'entina fa ny taranja no tsy manavanana antsika ka aleo atao tahaka ny mpamosavy sy mpihady fasana e, samia masina an-taniny.
Ny vintana anefa lakalaka, kodiaran-tsarety hoy ny Ntaolo, ka ny ampitso no aoka hitsara e !
Ontsy tsy miavona